« Toute l'eau des océans ne suffirait pas à éteindre le feu de l'Amour. Et toute l'eau des fleuves serait incapable de le noyer. Imaginons quelqu'un qui offrirait tous ses biens pour acheter l'amour : il ne manquerait pas de recueillir le mépris »
(Cantiques des Cantiques : 8 : 7)
CONSTRUIRE A ANTANANARIVO

Dans le cadre de la modernisation de la ville d’Antananarivo, incluant l’utilisation voire la démocratisation des Nouvelles technologies de l’Information et de la Communication ou NTIC, vous trouverez, en cliquant les liens ci-dessous, des imprimés en format Pdf concernant la construction immobilière.
Ao anatin’ny praograman’ny Ben’ny Tanàna Andry Rajoelina, hanatsarana ny Renivohitr’i Madagasikara ho lasa tanàna moderina sy miaina tanteraka ao anatin’ny teknolojia vaovaon’ny serasera sy fampalazam-baovao, dia azonao raisina eto ambany ny taratasy rehetra mikasika ny fananganana trano eto Antananarivo, dia :

Demande d'alignement et de nivellement de la voie publique
Demande de permis de construire
Fiches descriptives


Il est à noter que ces imprimés, accessibles en cliquant sur les liens ci-dessus, n’auront de valeur qu’une fois signés par les autorités compétentes de la Commune Urbaine d’Antananarivo. Cette démarche inédite de téléchargement en ligne de pièces administratives a aussi pour objectif d’alléger de manière palpable le processus jusqu’ici considéré comme "lent et lourd".

Marihina etoana fa ny fangalana ireo taratasy ireo amin’ny alalàn’ity trano kala ity dia tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatsarana, ary indrindra indrindra fanamorana ny fahazoana ireo taratasy mikasika ny fanamboarana trano eto Antananarivo. Raha nalaza loatra mantsy ny fomba fiasa « sarotra » sy « ela loatra » eo anivon’ny asam-panjakana dia mino kosa ny Kaominina tarihin’Andriamatoa Andry Rajoelina fa tsy hisy intsony izany hoe miandry ela loatra. Ato ihany koa no hahitanareo ny lalàna rehetra mikasika ny fananganana trano eto amin’ny Renivohitry Madagasikara.
Tsihavina kosa fa tsy manan-kery ireo taratasy ireo raha tsy voasonian’ny Tompon’andraikitra mahefa.

FAMPIASANA : Tsindrio ireo lohateny misy tsipika etsy ambony ka rehefa mivoaka ny taratasy dia azo atao "imprimé" taratasy any amin'ny Cyber na birao izay manana "imprimante". Fenoina ilay taratasy ilainao ary avy eo dia entina any amin'ny tompon'andraikitra hatao sonia ara-dalàna. Averina fa tsy manan-kery ireo raha tsy misy anarana sy sonian'ny tompon'andraikitra mahefa, daty ary tombon-kase mazava tsara