FIJERENA IFOTONY TENY AMIN’NY FARITRA IVA

Tonga nitsidika teny amin’ny faritra iva ny teo amin’ny fiadidina ny tananan’Antananarivo notarihin’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo Edgard Razafindravahy sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Fijerena ifotony ny fiainan’ny olona eny amin’ny faritra moa no tena anton-diany indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Marihina moa fampandrosoana manakaiky vahoaka no tena tanjona tamin’ity indray mitoraka ity ka anisan’izany ny fanamboarana ny fantsona ntsentsina izay mampijaly ny mponina toy ny eny Manarintsoa Afovoany, Anatihazo Isotry, Andranomanalina I sy ny manodidina. Nambaran’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo fa “manakaiky ny ety ifotony ny asa , tsisy fampandrosoana vanona raha tsy ny fokontany no miara-mandray andraikitra sy miara-misalahy mba ho amin’ny tsaratsara kokoa”.  Tonga niaraka tamin’ny  filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo Edgard Razafindravahy teny moa ny talen’ny orinasa SAMVA, ny avy ao amin’ny sampana teknikan’ny Kaominina sy ireo mpiara miasa marobe teto anivon’ny tananan’Antananarivo.