Lanonana tsotra nefa nisongadina no nanamarihana izany teny Anosipatrana. “Ianareo no tandroka miaro ny vozona. Ianareo no misahana ny fandriampahalemana . Manainga anareo hatrany aho , hitandro mandrakariva ireo voalaza ireo ao anatin’ny asanareo.Tanjona telo no hijoroanareo dia ny filaminana , fandrosoana , tanàna madio , milamina sy mirindra. Mbola ho henjana ny asa miandry amin’ny taona vaovao.Efa nampanantena anareo aho , fa hanome fiara hiasanareo , koa tsy ho ela dia ho tonga eto aminareo amin’ity herinandro ity ihany io fiara io “ , hoy Andriamatoa PDS ,Edgard RAZAFINDRAVAHY.
“Sambany mba nisy fijerena akaiky ny olan’ny polisy monisipaly toy izao, ary manome toky anao izahay fa hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny andraikitra hiantsorohanay “,hoy Andriamatoa Ben HOUSSEN Evariste , lehiben’ny polisy monisipaly raha nandray fitenenana sy nisaotra an’Andriamatoa PDS.