Nitsangana androany tao amin’ny IMV Tsarafaritra Tsimbazaza ny Organisme publique de coopération inter communale na OPCI miandraikitra ny gestion intégrée des déchets solides. Mivondrona arak’izany ireo ben’ny tanàna amin’ny commune urbaine sy ny ben’ny tanàna manodidina ny Grand Tanà, ka miisa 13 izy ireo , ary isan’izany ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Ireo ben’ny tanàna rehetra nivory tao dia samy nahatsapa avokoa ny tokony sy tsy maintsy ifandraisana , ary
Indrindra ny politikan’ny Grand Tanà izay politique d’aménagement ka mitaky fiaraha-mientana, fifamenoana ( Cohérence et Complémentarité) Naneho fahavononana ireo maire 13 fa hiara-hametraka ny nouvelle gestion publique territoriale na fitantanana vaovao , indrindra ny fitantanana ny fandraofana fako amin’ireo kaominina 13 ireo. Iaraha-mahalala fa ho foanana moa ny toby fanariam-pako eny Andralanitra.
Lany androany ary ny arrêté nananganana io OPCI GIDS io. Lany androany koa ny birao ka Andriamatoa Edgard RAZAFINDRAVAHY, Filohan’ny Delegasiona manokana ny tanànan’Antananarivo-renivohitra no voafidy ho Prezida ary ny Filoha lefitra telo kosa dia ny Ben’ny tanànan’Antehiroka ; ny Ben’ny tanànan’Andoharanofotsy ; ary ny Ben’ny tanànan’ny Talatamaty.
Ny GIDS dia ny AFD no mamatsy vola azy ka mitentina hatrany amin’ny 15 millions d’Euros izany.