FIFANDAMINANA TEO AMIN’NY MPIVAROTRA SY NY PDS TAO AMIN’NY PALAIS DES SPORTS

Tsy nisy fitsaharana ny fifampidinihana sy fifandaminana mikasika ny tsena,nefa tsapa ho miziriziry ireo mpivarotra amoron-dalana ny hanohy io asa io noho ny maha-akaiky ny krismasy sy ny fetin’ny faran’ny taona. Nampiantso azy ireo Andriamatoa Edgard RAZAFINDRAVAHY , hifampidinika sy hiara-hamaha ny olana ka hita fa nizotra nilamina izany. Nohenoina avokoa ny hetahetan’izy ireo  ka ireto avy no nivoitra tamin’izany:

« Mba hahalalana ny ao am_pon’ny tsirairay marina , dia mihaino ny fanontanianareo aho » hoy ny PDS .Tanjona telo mantsy no katsahina  :

  1. ny fahadiovan’ny tanàna,
  2. ny fandrindrana ny asa rehetra
  3. ny fandriampahalemana eto an-drenivohitra.

Ireto ary ny fangatahana sy hetahetan’ireo mpivarotra toy ny ao amin’ ny Pochard,  Anosibe, Andravoahangy, Petite vitesse, Mahamasina, Mandroseza,  Pavillon Analakely, Namontana , Ambohimanarina…..
 
-Mahamasina : mba hiverenan’ny bazary de noel eo amin’io toerana io noho ny tsy fahampian’ny toerana eny Behoririka sy Analakely. Efa ho 15 taona lasa izay no nanaovanay izany teto ary toa efa lasa “tradition” mihitsy izany ho anay eto Antananarivo;hoy Mr Jean Bruno Rafidimanantsoa sy Mme Voahangy.

-Pochard: sambany nisy PDS nitafa amin’ny vahoaka madinika toy izao hatrizay ary zava-dehibe ho anay izany. Maniry izahay mba hisian’ny jiro sy rano ary ny famantarana ny tsena; efa nisy ihany fivoriana tao amin’ny tranompokonolona fahiny ary nanao fangatahana izahay saingy tsy nisy valiny izany hatramin’izao. Mangataka ny hanao bazar de noel ihany koa izahay ary mba hasiana “arrêt bus” akaiky ny tsena, sy panneau d’indication ary lalana mazava ahafahan’ny mpanjifa miditra.

-Namontana: 70 eo ho eo sisa ny mpivarotra tavela ao koa mangataka fiaraha-mientana amin’ny CUA izahay mba hanafanana ny toerana sy ny tsena.

-Andravoahangy tsena: sitrakay ary hetahetanay ny hanavaozana ny tsena eto aminay satria mbola trano hazo avokoa izy ireo.Eo ihany koa ny olana amin’ny tsy fisian’ny jiro, ny fiarovana amin’ny afo (bouche d’incendie) ary ny fahasimban’ny vavahady mba tokony ho jerena akaiky fa manjaka ny tsy fandriampahalemana.Tsy tokony takiana hetra koa ny mpivarotra rehefa andro alahady sy fety satria heloka izany ary midika fandikana lalàna: “Izay ataonareo amin’ireo madinika ireo, dia ataonareo amiko hoy ny Tompo.”

-Ambohimanarina:mampalahelo ny tsy fahafantaran’ny maro ny fisian’ny tsena nefa ny varotra dia iankinan’ny fiainana andavanandro.

-Ezaka fampandrosoana Analamanga: fisaorana ho an’ny CUA tamin’ny fanomezana ny toerana ivarotana eo amin’ny Magro Behoririka na dia mbola tsy feno aza izany.Miampy  fanentanana kely fotsiny izany ka ny hafatra dia ny hoe:“Aoka ireo tsy ara-dalàna, mba hiditra amin’ny ara-dalàna”.Tsapa ho tsy ampy ny tsena na ho an’ny ara-dalàna aza.

Nandray fitenenana sy namaly am-pahatoniana tanteraka ireo mpivarotra ireo kosa Andriamatoa PDS:

“Ny PDS na ny mpiasan’ny kaominina,tsy manakana anareo tsy hivarotra. Tsy nanakana anareo tsy hanao Bazar de Noêl aho fa ny fandaminana kosa no hifampidinihantsika eto. Mikasika io Bazar de Noêl io eo Mahamasina izay tokony hanomboka ny 15 Décembre dia marihako fa tsy mbola nisy niteny tamiko hoe : hitondra banderole izahay raha tsy omenao  alalana. Mba misy kosa ny fifanajana e! .Raha hoy ianareo hoe : atomboy mialoha dia mifandinika isika ,sa tsy izany? Azo atao tsara ny manao didy jadona araka ny teninareo , nefa manahirana izany fa mifandamina foana isika. Hanao Bazar de Noêl eo Mahamasina no tadiavinareo? Mandehana manao Bazar de Noêl rahampitso e!. Raha hoy ianareo hoe : handamina izahay Président ! ny zaridaina , ny fahadiovana,ny fanajana ny fandaminana ara-pifamoivoizana sns… satria rehefa mifanosika ianareo dia any an-tatatra. Mba ataovy ao anatin’ny tantaran’Antananarivo fa izaho no PDS voalohany nanaiky ny Bazar de Noêl hatomboka rahampitso ,ary mialohan’ny daty voatondro! ”. Nirefodrefotra ny tehaka ombam-pifaliana nasetrin’ireo mpivarotra.

Nanantitrantitra koa Andriamatoa PDS:

Mba fafao ilay tsena re! Izaho PDS kosa ve no hanasa ny vilia hihinanareo?” Hoy izy nitsiky.

“Tena efa mahatratra iray kamiao ny loto.Koa raha hatomboka rahampitso ny Bazar de Noêl , dia miara-manaiky isika fa mitohy isan’andro kosa ny fanadiovana. Na miditra na mivoaka ianareo ,manadiova ny toerana ialànareo. Tsy maintsy alamintsika koa ny fifamoivoizana izay hifandaminana amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy , toa an’ny Talen’ny Kabinetra , ny  Talen’ny Affaire ekonomika.”

Namaly tamin’ny sangisangy kely izy mikasika ny ticket:

“Raha nisy nilaza ianareo teo hoe : aza hakàna ticket ny mpivarotra alahady fa heloka izany ary raràn’ny lalàna , dia hoy aho hoe : tsy mety koa ange ny mivarotra Alahady e!. Tsy mety ary tsy azo ekena mihitsy ny maka ticket satria mpivarotra tsy ara-dalàna ny eny amoron-dalana koa nahoana no hakàna ticket. Aoka tsy hanome vola n’izan’iza ianareo raha misy mitaky ticket. Mifandamina eto isika fa aorian’ny fety , amin’ny 4 janoary , tsy maintsy manao teny ierana isika amin’ny fandaminana sy ny fanadiovana.”

IRETO AVY ARY NY FEPETRA NAVOITRA TAMIN’NY FANDAMINANA:

  • Manadio ny toerana ialàna sy ivarotana
  • Miteraka tsy fandriampahalemana (insécurité) raha tsy misy ora matotra koa aleo hivoha amin’ny 6 ora maraina ny tsena ary mirava amin’ny 5 ora hariva mba hisorohana ny haro-paosy sns…
  • Hanao badge sy akanjo mitovy ny mpiasan’ny CUA ary hisy hivezivezy sy handeha foana eny anivonareo.
  • Tsy azo hivarotana anaty zaridaina fa volantsika mianakavy ihany ireny.
  • Iangaviana tsy hamonjy arabe rehefa mivarotra , ohatra : manoloana ny hopitaly Befelatanana. Misy mpiteraka miditra ao nefa tery ny lalana. Efa tsy an’arivony intsony ny mponina fa an-tapitrisany.

 

“Mikasika ny tsena Andravoahangy , dia tiako ny milaza aminareo fa efa misy financement io , ary  ny tsena Pochard dia hotanterahiko ny fampidirana jiro sy rano. Namontana koa raha ilàna fanentanana , dia isika rehetra no tokony hiara-hientana,fa aoka aloha mba hanana faharetana ireo 70 efa mivarotra ao fa tsy maintsy hisy ny fandaminana. Raha ny tsy fahampian’ny tsena kosa , dia lazaiko anareo fa tsy ao anatin’ny telo volana dia ho ampy ny tsena. Efa nosokafana ny tsenan’I Bagdad izay efa vita an-taonany ; ao koa Antaniavo ; Callumet. Mila fahasahiana koa ny fanidina ny lalana ahafahana mandamina ny Behoririka; Namontana io efa nezahina nosokafana , ary raha mbola misy toerana manakaiky antsika dia ataontsika izany”.

ARRET  BUS:

“Azo atao tsara ny fandaminana ary ao ireo teknisianina mahefa hikarakara izany
“Mikasika koa ny fanasanareo ahy , hidina eny an-tsena dia tsy maninona. Rehefa asainareo aho dia tonga. Hojerena milamina Anosibe sy Pochard. Ianareo efa nilaza teo fa manana lehiben’ny tsena mahafa-po”.
“Ny mpandala ny Art Malagasy indray , dia efa misy ny Association-nareo , koa mahazo manatona ahy na ireo Tale ianareo raha misy ny olana.”

“Ny olana misy eny amin’ny tsenan’Anosbe izay nolazaina teo , dia tokony hifandaminanareo”.

ORA FISOKAFANA SY FIRAVANA:

Naneho ny hetahetan’ireo mpivarotra fa raha ny mpiasam-panjakana manokana dia amin’ny 4 na amin’ny 5ora no mirava ary any amin’ny 6ora hariva vao tonga miantsena.

Namaly izany ny PDS:

“Manahirana be ho amin’ny sécurité ange ilay amin’ny 6 ora e! ka tokony hajaintsika ihany ilay ora firavana”.

Teo am-pamaranana dia mbola nanteriny hatrany ny tsy tokony hidinana an’arabe rehefa mivarotra, ary nanome toky izy fa halamina miaraka ny tsena rehefa vita ny fety.
 
“Mirary anareo hahita tombotsoa aho , ary mirary fety sambatra ho anareo sy ny ankohonanareo fa aorian’ny fety indray isika mifankahita”