Tanàna madio , saina milamina

Nomena fiofanana amin’ny fomba famafan-dalana ireo mpandala io asa io ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Natao tao an-Tranompokonolona Isotry izany fiofanana izany , mba hampitomboana bebe kokoa ny traikefa sy ny fahaiza-manao ary indrindra hisian’ny hafainganam-pandeha eo amin’ny asa. Miisa 395 izy ireo avy amin’ny boriboritany enina. Andriamatoa Roger RANDRIANARISON  , Talen’ny sampan-draharahan’ny mpiasa eto amin’ny Kaominina no nitsirihan’ny hevitra , sy nitondra ny fanentanana.
“Hiresaka amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny aho mba hampitomboana sy hanatsarana ny fitaovana enti-miasa” , hoy Ramatoa Sekretera Jeneraly ,Olga RASAMIMANANA.