![]() |
|||||||
ADY ATAO AMIN’NY GRIPA AH1N1
Nanatontosa atrik’asam-panadiovana ny gare routière « Fasan’ny karana » , ny Kaominina Antananarivo renivohitra.Vatan-dehilahy miisa 50 no niara-nisalahy tamin’ny fanadiovana ny teo amin’ny zotra nasionaly. Ny mpanera no betsaka tamin’ireo mpanadio , tao ihany koa ny fandraisan-tanan’ny saofera-na taxi-ville, saoferan’ny taxi-brousse. TSY FOANA AKORY NY FANAFODY ENY AMIN’NY CSB II 2°) – Araka ny feo nandeha fa tsy manam-panafody intsony ny CSB II , dia mampahafantatra ny besinimaro koa ny Kaominina Antananarivo renivohitra , fa tonga avokoa ireo fanafody fampiasa isan’andro any amin’ireo CSB II miisa efatra iadidian’ny kaominina: Namontana , Isotry , Andravoahangy , Volosarika. Marihana fa 1000 ar no alohan’ny lehibe, ary 700 ar ny ankizy hatramin’ny 13 taona. Mahazo fizahana , sy fitsaboana ,ary fanafody avokoa rehefa mandoa io sarany izay heverina fa tena mora sy antonona ny fahefa-mividin’ny tsirairay io.
|
|||||||