FOKONTANY AMBATOMAINTY
La CUA a pris en main les travaux de réfection pour la rénovation d’une parcelle de la chaussée. Un don de 58 millions d’ariary octroyé par le Ministère des Finances et du Budget est censé recouvrir les dépenses y afférentes. Les habitants du quartier ont prêté main forte pour accélérer les travaux,parce que la route est  tellement poussiéreuse , impraticable et Dame pluie aggrave encore la situation.
Lalana mirefy 200 metatra amin’ny alalan’ny asa-tana-maro no nasiam-panamboarana omaly. 2 000 ariary isan’andro no karaman’ireo mpiasa 70 miara-misalahy amin’ny fanamboarana. 40 andro kosa no faharetan’ny asa. Mitentina 58 tapitrisa Ar ny tetibidin’ny tetik’asa.
« Be ny nilaza fa hanao ity lalana ity fa izao vao tanteraka , koa isaorana indrindra ny ministry ny vola. Hovitaina daholo ny tetik’asa kasain’ny fokontany folo voalohany hatao, raha madio tsara sy milamina ny tsena ao aminy. Ianareo ihany no hahazo ny tombotsoa amin’ny fahavitan’ny lalana ka aza atao alasafay ny asa » , hoy Andriamatoa Filohan’ny Delegasiona manokan’ny Tananàn’ANTANANARIVO ,Edgard RAZAFINDRAVAHY.
  Nasiany tsindrim-peo ihany koa ny tsy tokony hisian’ny mpivarotra amoron-dalana , satria iaraha-mahalala amin’izao fotoana izao ny fanentanana tsy ankiato ataon’ny Fiadidiana ny tanàna amin’ny resaka fahadiovana sy ny tokony hananan’ny tsirairay fiainana milamina .