TSY MITSAHATRA NY ASA FANADIOVANA SY NY ADY AMIN’NY GABORARAKA

Noraofin’ny Kaominin’Antananarivo renivohitra avokoa ireo entam-barotra sy zava-pisotro misy alikaola teny an-databatra teny amin’ny faritra Analakely.416 ny tavoahangy feno ary 45 no tavoahangy foana na vide. Misy amuse-gueule sy vaisselles ihany koa. Noraofina niaraka tamin’izany koa ny latabatra sy seza rehetra. Marihana fa nanomboka tamin’ny 31 octobre ity hetsika ity , ary mitohy eny amin’ny faritra maro samihafa , toy ny eny Andavamamba , Ampefiloha , Anosy ,Mahamasina , Rue de Liège Tsaralalana. Efa nisy ny fanentanana sy fananarana ireo mpanao varotra tsy ara-dalàna ireo efa herinandro vitsivitsy lasa izay , nisy torak’izany koa ny fampitandremana , nefa dia mbola ninia nanao izany ihany ka dia izao niafara tamin’ny fandraofana entana izao. Natoby eny Anosipatrana ny entana sasany ary ny zava-pisotro rehetra kosa dia  tao Mahamasina . Ity mise en fourrière ity , dia tsy misy fe-potoana. Ny asa fanadiovana ny tanàna koa mitohy hatrany na andro na alina , koa manentana ny mponina ny fiadidiana ny tanàna fa tsy hilefitra intsony manoloana ireny gaboraraka sy fandotoana andro aman’alina ireny.
“Teo am-boalohany , dia olona telo ihany no nanaraka ny entany . Tato aoriana tsy noraharahian’izy ireo intsony hatramin’ny entany, izay namofona samba koa dia narianay fa ireo sisa nahiboka (forrière) eny Anosipatrana” , hoy ihany ny tompon’andraikitra.