Ho fisorohana ny haromontana sy hitandroana ny filaminam-bahoaka noho ny hamaroan’ny alika mirenireny sy mameno ny elakelan-trano , dia mampahafantra ny besinimaro ny BMH ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra , fa efa natomboka ny famonoana azy ireny tamin’ny fametrahana fanafody any anaty bacs à ordures. Nahatratra 39 teo ho eo ny alika maty tamin’iny herinandro iny. Ny 12 Novembre teo , dia teny amin’ny Vè Arrondissement no anaovana izany tamin’ireto toerana manaraka ireto:
-Anjanahary II A; II O; IIS ; IIN
-Manjakaray IIC; IID
-Ambatomainty
-Amboditsiry
-Analamahitsy tanàna sy Cité
-Ivandry
-Alarobia Amboniloha
-Androhibe
-Soavimasoandro
-Morarano
-Ambohimirary
-Ambatokaranana
-Ankerana Ankadindramamy
-Nanisana Iadiambola
-Andraisoro
-Tsarahonenana
-Ambatomaro
-Ambohidahy
-Ampasampito
-Fort Duchesne
-Ankatso I sy II
-Ambohipo Cité
-Ambohipo tanàna
-Andohanianto
-Ambolokandrina
-Antanimora
-Ampasanimalo
-Manakambahiny
-Ambohitsoa
-Ambanidia Volosarika
-Ambatoroka
-Andohan’i Mandroseza
-Ambohidraserika
-Mahazoarivo
-Ambohimiandra
-Mandroseza Centre
-Mandroseza-Est.
Efa nanaovana fampandrenesana ny fokontany rehetra tamin’ireo faritra voalaza ireo.
Isan-kariva amin’ny fito no fiaingana eo amin’ny BMH Isotry mitety ny bacs à ordures hametrahana ny fanafody ary amin’ny enina ora maraina kosa ny fandraofana ny fatin’alika.
Nampahatsiahivina hatrany ireo izay manana alika mba tsy hamoaka azy ireny handehandeha eny an’arabe fa hamatotra na hanidy azy ,satria raisina ho toy ny alika mirenireny avokoa izay mandehandeha amin’ny alina.