FANAOVAN-TSONIAM-PIARAHA-MIASA/CUA/ZAIN

Notontosaina tao amin’ny birao fiasan’Andriamatoa PDS , Edgard RAZAFINDRAVAHY ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa tamin’Andriamatoa Tsiresy , Tale Jeneralin’ny orinasa ZAIN. 150 millions ariary ny tetibola nosoniavina izay entina hametrahana 500 étals hanatsarana ny asan’ireo mpivarotra carte sy mpandala ny asan’ny taxiphone ZAIN. Marihana fa hivelatra eny amin’ny fokontany 192 ny fametrahana izany, ary arakaraky ny habetsahan’ny mponina amin’ny fokontany iray no hitomboan’ny étal , raha novinavinaina ho folo aloha izany amin’izao fiantombohana izao.