![]() |
|||||||
ATRIK’ASA NIARAHANA TAMIN’NY KAOPERATIVAM-PITATERANA. U.C.T.U SK MELODY MANDRIAMBERO
Teny Mandriambero Ambohidratrimo no natao ny atrik’asa lehibe nentina hanatsarana ny lafiny fitanterana antanan-dehibe. Tonga nanatrika izany ny filohan’ny Delegasiona manonkan’ny tanana Antananarivo izay nanambara fa ilaina ny rindran-damina mba entina hanomezana fahafam-po ny mponina eto Antananarivo. Nomarihiny tamin’izany ihany koa fa omena toerana ny mpitatitra mba hamatihanina azy ireo; fiaraha-miasa izay avy amin’ny CUA sy ny I M V ary ny UCTU.
Nanamarika tamin’ny lahateniny ihany koa ny Filohan’ny Delegasiona manokana eto amin’ny tanànan’Antananarivo, Edgard RAZAFINDRAVAHY fa isika mpitatitra no tompon’andraikitra voalohany amin’ny firindrana sy filaminana eto amin’ny Antananarivo renivohitra; tokony hadio ihany koa ny tanana hoy izy mba hialana amin’ny aretina avy amin’ny fiara mpitatitra toy ny gripa sy ny aretina avy amin’ny taovam-pisefoana. Tokony hieritreritra ihany koa ny mpitatitra hoy izy ny mba hanitatra ny fitanterana amin’ny lafiny renirano toy ny eny Ikopa mba ho lasa angovo ho enti-mitatitra mba hikajiana ny tontolo iainana.
|
|||||||