FIFANARAHANA FANAOVAN-TSONIA : CUA – SOGEA SATOM
(Groupe de Vinci Construction)

Natao androany 24 novambra 2009 ny fifanarahana fanaovan-tsonia teo amin’ny Entreprise SOGEA-SATOM ao anatin’ny Groupe de Vinci Construction , nosoloin’Atoa Eric MOTTE, Directeur Administratif et Financier tena, sy Atoa Edgard RAZAFINDRAVAHY, filohan’ny Delegasiona manokan,’ny tanànan’Antananarivo-Renivohitra . Vola mitentina 19 millions d’ariary no fanampiana ka mitsinjara toy izao :
  1. 10 millions d’ariary hanatsaràna ny salle de mariage manerana ny boriboritany enina,
  2. 9 millions d’ariary kosa dia hivantana avy hatrany eny amin’ny fokontany.

Ny CUA no tompon’andraikitra mivantana amin’ny fitsinjarana ny fanampiana ary dia “ hitohy isan-taona ny fanampiana” hoy ihany ny avy ao amin’ny SOGEA-SATOM.
Ny tanjon’ny mpitantantana eto anivon’ny CUA, dia ny hananana tanàna MADIO, MILAMINA, ary MIRINDRA, izay rahateo no antony hampiasàna ny fanampiana avy amin’ireo partenaires. Ary mbola miantso ireo rehetra fa indrindra ny mponina ihany ny tenako hifanampy amin’ny fanatsaràna ny tanànan-tsika”.

Nanararaotra ny niresaka mikasika ny tsenan’i NAMONTANA ihany koa Atoa Edgard RAZAFINDRAVAHY, fa manomboka  misokatra ho an’ny mpanao “bazar de Noël” rehetra eto Antananarivo io toerana io ary dia hikatona  herinandro  aorian’ny taombaovao 2010 hanaovana fandaminana hidiran’ireo mpivarotra ambogadiny toy ny legioma sy ny sisa indray. Ireo mpivarotra amoron-dàlana  izay mahafeno ny fepetra eo anivon’ny kaominina no voakasiky ny fampiasàna ny tsenan’i NAMONTANA. Marihana fa tsy mandoa haba sy droit d’installation ny mpivarotra.