![]() |
|||||||||||||||||||||||||
FIARAHA-MIOMBON’ANTOKY NY KAOMININA SY NY ORINASA TSY MIANKINA JOVENNA
Cité miisa 50 eo ho eo mitafo bozaka no novatsian’ny Orinasa Jovenna tafo tôles tetsy Imamba Soavimasoandro . Hatrizay fitondrana nifandimby teto dia nitoka-monina hatrany ity faritr’Imamba ity. Noho ny fiaraha-miombon’antoky ny Kaominina sy ny Orinasa tsy miankina,izay Andriamatoa Filohan’ny Delegasiona manokana eto amin’ny tanànan’Antananarivo, Edgard RAZAFINDRAVAHY no vy nahitana sy angady nananana azy,dia izao vao nahatsapa ireo fokonolona eny an-toerana fa misy ny fitsinjovana azy ireo.Misy lalana mirefy 800 metatra miala eo amin’ny fiantsonan’ny fiara fiateram-bahoaka ahatongavana ao an-tanàna , nefa lalam-bovoka izy io. Misy velaran-tany 5 ha izay olombitsy no mampiasa azy ka tokony asiana fifaninanana arak’asa ho fitsinjovana ny daholobe ahafahana mitsinjara ny tany , hoy ny Sefo fokontany eny an-toerana. Ny jiro manazava ny tanàna koa dia isan’ny nasongadiny tao anatin’ny hetahetan’ireo mponina. Nanamarika tamin’ny lahateny nataony Andriamatoa MEMMI Benjamin, Filoha sady Tale Jeneralin’ny Orinasa Jovenna , fa hanampy betsaka ny fokontany izy ka vola mitentina 15 millions ariary no hampiasaina ho an’ny fokontany hatramin’ny faran’ny taona 2009 , ary 40 millions d’ariary kosa no atokana ho an’ny tetikasa amin’ny taona 2010. Marihana fa efa valo taona ity tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Jovenna ity no nipetraka tao Soavimasoandro.
|
|||||||||||||||||||||||||