PROTOCOLE D’ACCORD. BAOLAI-CUA

Manao ranolava ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa amin’ireo orinasa mamolavola sy mampivelatra ary mampandroso ny eny anivon’ny fokontany. Nanatanteraka izany ny tranombarotra BAOLAI  niaraka tamin’i Filohan’ny Delegasiona manokana ny tanànan’Antananarivo , Edgard RAZAFINDRAVAHY. Mitentina 12 million ariary  ho fampandrosoana ,fanatsarana,fanadiovana ary fanaovana tetik’asa madinika eny anivon’ny fokontany no nosoniavina. Hampiharina amin’io taona miditra io ity fifanaraha-mpiaraha-miasa ity. Efa nanome 4 million ariary ity tranombarotra ity tamin’ity taona 2009 ity.
Marihana fa maneho fahavononana hatrany eo amin’ny fanatsarana an’Antananarivo ireo antsoinahoe : “Entreprises citoyennes”.