Ho fampiharana ny didim-pitondrana 94.008 tamin’ny 26 /04/95 mamaritra ny fampiasana ny lalana izay iandraiketan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, dia
Mampahalala sy mampandre ny besinimaro fa izay rehetra manam-pikasana hampiasa lalana amin’ny hetsika samihafa, toy ny lalao ara-panatanjahan-tena , dia tsy mahazo manao dokambarotra mialohan’ny fahazoana alalana avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.Antitranterina ary fa tokony hanao fangatahana alalana aloha izay vao manao doka amin’ny haino aman-jery. Manantena ny hanajan’ny tsirairay io didim-pitondrana io ny ao amin’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo.
FAMPATSIAHIVANA
Ao anatin’ny famerenana amin’ny laoniny ny « Hasin’ny Tanànantsika » dia mampahatsiahy antsika rehetra fa misy ny didy aman-dalàna izay mifehy ny asam-barotra eto amin’ny Faritry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra :
Araka ny didim-pitondrana laharana 97/510-CUA/ANT/CAB tamin’ny 22 Jolay 1997 mikasika ny fandrarana ny fivarotana entana isan-karazany amin’ny toerana sasany amin’ny faritry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra,
Araka ny didim-pitondrana laharana 199-CUA/CAB.08 tamin’ny 9 May 2008 mikasika ny fandaminana sy fampandehanana ny tsena eto amin’ny Faritr’Antananarivo Renivohitra :
DIA RARANA NY :
mivarotra entana isan-karazany eny amin’ny sisin-dalana, ao anaty arabe na lalana, eny amin’ny tohatohabato, ao anaty zaridaina, eo ambany sy ivelan’ny arcades, manoloana ny araben’ny fahaleovantena.
fivarotana fiarakodia efa niasa eny amin’ny “Park” na “Esplanade” na amin’ny sisin-dalana, manoloana ny araben’ny Fahaleovantena.
mamatsy, amin’ny fomba rehetra, ireo olona « tsy manana ny fahefana sy ny alalana hanao izany », entam-barotra hamidy ivelan’ny fivarotana,
Koa handray andraikitra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary hiroso amin’ny fandaminana sy ny fanadiovana mifandraika amin’izany ka hampihatra ny lalàna manankery.
COMMUNE URBAINE D’ANTANANARIVO
***********
DIRECTION DES COMMUNICATIONS
***********
N° 064CUA/DC/09
COMMUNIQUE DE PRESSE
Ho fampiharana ny didim-pitondrana lah. 199-CUA/08 natao tamin’y 09 May 2008, izay manambara ny tsy fahazoana mivarotra ent ankalamanjana, eny amin’ny sisin-dalàna, eny amin’ny toeram-piantsonana, eny amin’ny hopitaly sy eny akaikin’y toeram-pianarana afa-tsy ireo nahazo alalana manokana avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia hisy ny hetsika faobe analana ireo mbola minia tsy manara-dalàna mivarotra eny amin’ireo toerana voalaza ireo. Ho fanombohana ny hetsika dia ny eo amin’ny faritra Ambohijatovo ka hatreny Analakely no hojerena manokana izay hanomboka ny talata 18 Aogositra 2009.
Ny lalàna dia mihatra amin’ny olon-drehetra tsy ankanavaka, na andro, na alina ary voakasika ao anatin’izany avokoa ireo mivarotra fiara sy finday, ireo mpivarotra zava-pisotro, hani-masaka, ny Taxi-phone, sns …
Ny tsy fanarahana ny lalàna misy dia mitarika ny tompon’andraikitra handray fepetra hentitra.