![]() |
|||||||||||||
ANDRON’NY VEHIVAVY 08 MARS 2010 IZAY NANKALAZANA TENY AMIN’NY KIANJA MALACAM ANTANIMENA
Nankalazaina teny amin’ny kianja malacam Antanimena ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Notsongaina tamin’izany ny lohahevitra manao hoe “ FEMME DECIDEUR INCONTOURNABLE POUR LE CHANGEMENT DE L’HISTOIRE DE MADAGASCAR ». Vehivavy maro manan-kaja no tonga nanotrona ity androm-pankalazana teny Antanimena ity izay notarihin’ny vadin’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita sy ireo ministra vehivavy mpikambana ao amin’ny governemanta tetezamita. Tsy diso anjara tamin’izany ihany koa anefa ny vehivavy teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa tonga nandray anjara mavitrika izay notarihin’ny vadin’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo dia Ramatoa RINDRA RAFINDRAVAHY sy ireo vehivavy tompon’andraikitra eto amin’ny fiadidina ny tananan’Antananarivo toy ny sekretera jeneraly ny kaominina Ramatoa OLGA RASAMIMANANA sy Ramatoa MONIQUE RAVAOSOLO izay mpanolo-tsaina ara- teknika eto amin’ny tananan’Antananarivo Renivohitra ary ireo vehivavy mpiasan’ny CUA marobe izay tonga niara-paly toy ireo vehivavy maro maneran-tany.
|
|||||||||||||